Zanakazo niisa 2 100 fototra no novolen’ny Miaramila tao Vakinankaratra ho fandraisana anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.
Notsinjaraina tamin’ireo Toby miaramila misy ao Antsirabe ny zanakazo ho fanatsarana ny tontolo iainana isaky ny toby no voara-maso akaiky kokoa raha ny nambaran’ny jeneraly Rakotonirina Léon Jean Richard, komandin’ny fari-piadidian’ny miaramila ao Vakinankaratra. Samy nanaovana ny hetsika, araka izany, ny tao amin’ny ACMIL sy ny ENSoa ary ny tobin’ny Kaompanian’ny zandarimaria Vakinankaratra, ny zoma 19 febroary. Nanaovana izao voly hazo izao ihany koa ny any Ankazomiriotra sy ny any Tandrokomby, izay misy toby miaramila.
Caius R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.