Vokatry ny fiaraha-miasa mitohy amin’ny orinasa Green Madaland sy ny sampandraharaham-paritra miaro ny tontolo iainana sy ny ala ary ny ekolojika Boeny dia nahazo fitaovana entina hiarovana ny tontolo iainana ao Mahajanga izy ireo tamin’ity orinasa mpiara-miombon’antoka ity.
Fitaovana toy ny fiara tsy mataho-dalana iray sy “moto” miisa 6 no natolotra ary tsinjaraina amin’ireo lehiben’ny sampandraharaha io ireo ‘moto” ireo. Raha ny zava-misy dia nahazo vahana tamin’iny taon-dasa iny ny fahasimban’ny ala sy ny doro tanety tao Boeny ka ahafahana miady amin’izay indrindra no nanomezana ireto fitaovana ireto. Ho hentitra, araka izany ny DREF Boeny ny amin’ny fiarovana ireo ala voajanahary ireo io miaraka amin’ny vondron’olona ifotony isam-paritra mba hahatratra ny tanjona ho Madagasikara maitso. Raha tsiahivina dia ny 04 febroary 2015 izao no hanatanterahana ny fambolen-kazo rejionaly ho an’ny faritra Boeny ka hisy ny fanentanana ny olona hiaro ny tontolo iainana. Any Marohogo distrikan’i Mahajanga II no toerana voatondro hanaovana ny fambolen-kazo.
Tolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.