20 000 taonina isan-taona eo ny fako avy amin` ny indostria voaangon` ny orinasa ADONIS ao amin` ny toeram-panodinany ny fako ao Ambatomirahavavy toy ny “dechet hydrocarbures”, ny fatina “batteries”,
ny “huile de vidange”, ary ny fanafody. Mampidi-doza avokoa ireo karazam-pako ireo ary misy no tsy azo ahodina intsony fa tsy maintsy dorana. Orinasa vahiny sangany amin` ny fanodinana ny akora efa avy nampiasaina ho fiarovanana ny tontolo iananana aty amin` ny ranomasimbe indianina. Anisan` ny sehatra ataony ny manodina indray ny vokatra ara-tsolika, avy nampiasain` ireo orinasa mikirakira solika sy indostrialy maro. Nambaran` ny filoha tale jeneralin` ny Adonis, Patrice Wadley, fa ireo fako azo ahodina kosa dia nahavitana namokatra “Fuel lourd valorisé”, nahatratra 2 400 000 litatra izany tamin` ny taon-dasa. Azon'ireo orinasa mampiasa “Chaudière” ampiasaina tsara toy ny Star, Holcim…. Isan'ny mampihena ny masonkarenan' ireo orinasa izany satria ambany kokoa ny vidiny mihoatra ny solika hafa eny an-tsena. Ankoatra ny fanodinana ho azo ampiasaina indray ny vokatra ara-tsolika, hotohizana amin` ny sehatra hafa efa avy nampiasaina (tavoahangy na akora plastika,…) ny fanodinana azy ireny ho vokatra hafa indray. Ny ADONIS dia orinasa matihanina amin'ny fanodinana fako avy amin'ny indostria toy ny « dechets d'hydrocarbure” avy amin'ireo kaompania tsolika, na toby mpaninjara solika ary ny avy ao amin'ny “centrale thermique” Jirama. Nahafantarana azy ny nanadiovany ny moron-dranomasin'i Faux Cap tamin` ny 2009 izay nisy “marée noire” tamin` ny 73km ny morontsiraka vokatry ny sambo tiorka nilentika tany an-toerana ka 339 taonina fako “hydrocarbures” no voaangon' ny orinasa tamin` izany. Mipaka any amin` ny sehatra rehetra ny fikajiana ny tontolo iainanana. Miantraika any amin` ny tontolo iainana ny vokatra azo avy amin` ny solika. Efa miasa any amin` ny firenena miisa 23 aty Afrika ity orinasa ity tato anatin` ny 20 taona.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.