Nankalazaina ny zoma teo tetsy Ampahibe ny andro iraisam-pirenena momba ny sosona ana habakabaka ozonina. « Ny sosona ozonina sy ny toetr’andro, andeha hiara-kiasa ho fanarenana azy ireo.
» no lohahevitra nentina natao teny filamatra nankalazana azy ity. Ny fampiasana ny HFC na ny etona miteraka fampangatsiahana izay tsy manimba sosona ozonina kanefa miteraka fihenan’ny hafanana no hezahina apetraka, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny fandaharam-pirenena hiarovana ny sosona ozonina, Rivo Rabemananjara. Araka ny fifanarahana tany Montréal, Canada, dia hezahin’ireo firenena nifanaiky, anisan’izany i Madagasikara, ny hampiasa ity etona ity mba hanalefahana izao fikorontanan’ny gilaoby mitranga eto an-tany izao. Efa manana ny fandaharan’asam-pirenena hiarovana izay sosona ozonina izay isika amin’izao fotoana izao ary efa mandeha ny fanofanana ireo tekinisianina mpampangatsiaka eo anivon’ny minisiteran’ny tontolo iainana izay harahin’ny avy eo anivon’ny fadin-tseranana maso. Efa mandeha ihany koa ny fanentanana isam-paritra amin’ny fampihenana ny fampiasana ny etona manimba ny sosona ozonina ary heverin’ny avy eo anivon’ny minisitera ho tratra amin’ny taona 2030 ny tanjona.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.