Actualités

Fiarovana ny tontolo iainana Azo antsoina maimaim-poana ny laharana « 512 »


  • Zoma 20 Martsa 2020

Tamin’ny taona 2013 no napetraky ny fikambanana Alliance Voahary Gasy (AVG), ny laharana maitso « 512 ».

 

 

 

Tanjon’izy io ny hahafahan’ny olon-drehetra tsy an-kanavaka, miantso maimaim-poana sady tsy mitonona anarana, raha mahatsikaritra heloka ataon’olona mifandraika amin’ny tontolo iainana. Nahitam-bokatra ny fisian’io laharana maitso io, nandritra ny 7 taona niasany. Isan’izany ny nahafahana nanatratra mpanondrana hazo sarobidy an-tsokosoko. Tamin’ny taona 2019 koa, ohatra, dia ny antso an-tariby tamin’io laharana maitso io nahatrarana olona manodidina ny 15 isa, mpanondrana sokatra an-tsokosoko. Somary adinodino anefa ny fisian’io laharana maitso io tato ho ato, ka miezaka mamelona izany indray ny AVG. Izay rehetra mahatsapa tena ho olom-pirenena malagasy no entanin’izy ireo handray andraikitra, ka hiantso, raha mahatsikatitra fanimbana ny harena voajanahary eto amintsika. Mpahay lalàna nianatra manokana momba ny lalàna mifandraika amin’ny tontolo iainana no mandray ny antso amin’izany. Miara-miasa amin’ny solontenan’ireo ministera voakasika, any amin’ny Faritra izy ireo avy eo, manatanteraka ny fanadihadiana ifotony. Afaka manoro hevitra sy mampahafantatra ny lalàna momba izay fiarovana ny tontolo iainana izay ihany koa ireo ekipan’ny Alliance Voahary Gasy.

 

Marigny A.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT