Actualités

Fiarovana ny tetikasa Ambatovy 1 tapitrisa dolara hananganana toby vaovao


  • Alarobia 08 Oktobra 2014

Tonga tao Toamasina omaly ny minisitry ny fiarovam-pirenena, Jeneraly Rakotozafy Dominique. Nizara roa ny anton-diany. Ny voalohany dia ny fihaonana tao amin’ny Toby “Chanaron” tamin’ireo manamboninahitra sy manamboninahitra lefitra. Nandritra izany no nametrahan’ireo miaramila fanontaniana izay niandrasam-baliny izay tsy azon’ny mpanao gazety natrehana ny votoatiny

Taorian’izay no nijeren’ny minisitra ny toby “Chanaron” sy ny toby “Pointe Tanio” izay efa tsy azo ambara ho toby miaramila intsony noho ny fahasimbany sy ny gaboraraka amin’ny fidiran’ny sivily eo anivon’ny tany miaramila ary ny fanamboaran-trano ataon’ireo miaramila ihany. “Tsy azo ekena ary handraisana fepetra henjana sy haingana izao mba tsy hiitatra sy hampidi-doza tahaka ny nitranga tany Congo Brazzaville”, hoy ny Jly Rakotozafy. Ny faharoa dia ny fanaovan-tsonia teo amin’ny minisitera sy ny Ambatovy amin’ny fametrahana toby vaovaon’ny fiarovana ara-sivily mandritra ny loza voajanahary sy loza mety hateraky ny orinasa Ambatovy. Mitentina iray tapitrisa dolara ny tentim-bidin’ity toby vaovao hatsangana izay hapetraka eo anivon’ny tany miramila ao Barikadimy ity, ka ilay vola 25 tapitrisa dolara momba ny fanampiana ara-tsosialy navoakan’Ambatovy no hakana ny vola, ary haharitra herintaona ny fananganana azy sy ny fiaraha-miasa. Toby ahitana ireo fitaovana rehetra ilaina amin’ny fiarovana ara-sivily no hapetraka, ka ny faritra atsinanana manontolo no sahaniny amin’ny asa fiarovana. Ny Ambatovy sy ny minisitra ihany no niatrika ny fanaovan-tsonia tao Ambatovy Tanandava. Taorian’ny zandary izany, dia nahazo ny azy koa ny miaramila, miandry ny anjarany kosa ny polisim-pirenena amin’ny fiaraha-miasa amin’Ambatovy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT