Nivoitra nandritra ny fivoriana tsy ara-potoan’ny Vondrona Afrikanina notontosaina tany Lomé renivohitr’i Togo ny sabotsy 15 oktobra 2016 teo ny fanasoniavana ny fifanarahana lasitra ho fiarovana ny fari-dranomasina Afrikanina, izay novolavolaina tao anatin’ny telo taona teo ho eo.
Noho ny tsy fandriampahalemana amin’ny afitsok’ireo jiolahin-tsambo, fanondranana olona, fanondranana fitaovam-piadiana, jono tsy ara-dalàna,... dia amina miliara dolara maro isan-taona ny vola very tokony hiditra amin’ny firenena Afrikanina ka nanapahana hevitra amin’ny hampiharina ity fifanarahana lasitra ity. Firenena miisa 38 amin’ny 54 ao anatin’ny Vondrona Afrikanina no manana sisin-dranomasina ka anisan’izany i Madagasikara izay manana 5600km eo ho eo. Ny 90% amin’ny fanondranana sy fanafarana entana aty Afrika dia amin’ny alalan’ny sambo ka tsy azo hamaivanina ny fiarovana ny ranomasina izay ain-dehiben’i Afrika sy hahafa-mampiroborobo ny toekarena Afrikanina izay fanamby lehibe no hotratrina hatramin’ny taona 2063. Ho an’i Madagasikara manokana dia tsy voafehy ny fiarovana ny ranomasina ka zary ny hafa no misitraka ny harentsika noho ny fahamaroan’ireo mpijirika.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.