Actualités

Fiarovana ny lemaka ao amin’ny PC 23 Nambolena hazo ny sahan-driaka Mavolava


  • Sabotsy 04 Martsa 2017

Zanakazo kininina sy Grevelia 2500 fototra no voavoly tao amin’ny sahan-driaka Mavolava ny talata lasa teo.

Noho ny fahatsapan’ireo tantsaha mivondrona ao anaty komity Vonjy fa manototra ny tanimbary isan-taona ao amin’ny faritry PC23 ny fasika sy ny bedana avy amin’io sahandriaka io. Mpikambana ao anatin’ny federasiona Sahabemiray no nanolotra ny  tany nanatanterahana ny fambolen-kazo. Tetikasa Prodaire tamin’ny alalan’ny Papriz no namatsy ny zanakazo ary ny sampandraharahan’ny fambolena sy ny fiompiana Alaotra Mangoro no nanome ny teknika rehetra mba hampaniry ny zanakazo izay novolena. Manantena ry zareo avy amin’ny tetikasa Papriz fa raha maniry soa aman-tsara ireo zanakazo vao novolena ireo dia voaaro amin’ny fasika sy ny bedana ny  tanimbary an’arivony hektara ao amin’ny PC23.

                                                                                             

Niry A

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT