Tsy mitsahatra mitady vahaolana ahafahana mandamina ny tsena sy ny fandridrana ny fifamoivozana ny Pds n’ny tanànan’i Mahajanga ary dia nametraka ny sampan-draharaha misahana ny filaminam-bahoaka. Arak’izay dia Randriniaina Bien Donné no voatondro hisahana io andraikitra io araka ny didy nivoaka eo anivon’ny kaomina ambonivohitra Mahajanga laharana 006-15/CU/MGA-AG
. Sampan-draharaha roa ao amin’ny kaomina dia ny sampan mpamonjy voina sy ny polisy monisipaly no hofehezin’i Bien Donné. Taorian’ ny fanendrena azy dia raikitra avy hatrany ny asa ka niroso tamin’ny fandaminana ny tsena sy ny fandrindrana ny fifamoivozana ao Mahajanga. Efa nitana ny andraikitra teo amin’ny fibaikona ny polisy monisipaly ity tompon’andraikitra ity ka mora ho azy ny fandaminana ny raharaha ao amin’ny tsena sy ny manodidina ny tanàna.
Tolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.