Actualités

Fiarovana ny antenimierandoholona Misy tsy mazava ny momba ireo basy ampiasaina ?


  • Alakamisy 05 Martsa 2020

Any anaty tambajotran-tserasera facebook no miparitaka voalohany ny ambara fa fanazavana ny amin’ny zava-nitranga

 

 

mahakasika ireo miaramila sy fitaovam-piadiana tetsy amin’ny antenimierandoholona naverina an-dakazerina. Fanaraha-maso sy fitsirihana ireo fitaovam-piadiana no atao amin’izao fotoana izao raha ny fantatra .Voalaza fa sarotiny amin'ny fiparitahan'ny basy ny etamazaoro jeneralin’ny tafika Malagasy satria  maro ireo manamboninahitra efa misotro ronono nefa tsy mamerina basy. Mikasika ny senatera manokana dia misy tranga tsy mazava ao. Ny basy ampiasain'ny miaramila rehetra ao dia tsy ao Anosikely no mipetraka fa ao amin'ny bâtiment an’ ny CNaPS ao Ampefiloha, hoy ny fanazavana. Any amin'ny rihana farany ambony. Kalachnikov 30 isa any ho any no nalefa eny. Voalaza fa tonga teny Ampefiloha naka ireo basy ireo ny talen’ny fiarovana eo anivon’ny antenimierandoholona omaly hariva. Voalazan’ity fanazavana ity ihany koa fa misy olona tsy voaray anarana  n'aiza n'aiza akory ao. Marihina , hoy hatrany ny fanazavana fa ny teo anivon’ny fiadidiana ny repoblika dia vao nanaovana ny fitsirihana tahaka izao ihany koa ny herinandro lasa teo.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT