Hafahafa ny fomba fizotry ny fikarakarana fifidianana, hoy ny fanehoan-kevitr’ireo mpanao politika. Tsiliam-baovao iray no nahenoana fa mbola manomana kandida iray ho filoham-pirenena amin’ireo 36 isa indray ny frantsay hahafahany mametraka ny politikany, indrindra mikasika ireo nosy manodidina.
Araka ny nambaran’ny siantifika iray izay nanaraka ny fifanarahana momba ity resaka nosy ity talohan’ny taona 2007 dia mbola ny nosy Tromelin, izay hany tokana avy aty atsinanan’i Madagasikara ihany hatreto no mbola vita fifanarahana amin’ny frantsay amin’ny alalan’ny nosy La Réunion. Niarahan’izy ireo mitantana amin’ny nosy Maorisy izy io taty aoriana. Mikasika ireo nosy 4 ambiny aty andrefana kosa dia Eoropa, Bassas da india, Juan de Nova ary Iles glorieuses dia nambarany fa mitady izay olona ahafahany manasonia fifanarahana mikasika ireo hapetraka eo indray ankehitriny ny frantsay mba hahafahany manjaka tokana amin’ireo harena ao. Tsy olana amin’izy ireo na hiongana aza avy eo ny olona hapetrany satria paikadiny aorian’izay indray ny hametraka fanjakana federaly ahafahany mifehy ny isam-paritra. Miankina amin’izay filoha ho lany eo, araka izany, ny fiarovana ireo nosy manodidina.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.