Actualités

Fiarovana amin’ny hosoka Hampiasa «hologramme» ny CUA


  • Talata 19 Janoary 2016

Fanambin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) ny hitondra fanatsarana ny tanŕna miaraka amin’ny fanavaozana ny fitantanana ny tanŕna izay nanjakan’ny gaboraraka sy ny hosoka samihafa, hoy ny lefitra faharoan’ny ben’ny tanŕna Andriamorasata Julien

 

. Lehibe indrindra amin’izy ireo ny fametrahana fomba fiasa vaovao eo anivon’ny rafi-pitantanana anatiny mihitsy, indrindra ny fikirakirana ireo antontan-taratasy ilaina ny fankatoavan’ny mpitantana ny tanàna izay nahitana lesoka goavana tokoa. Tranga mamohehatra niseho tamin’ny fitantanana teo aloha, ohatra, ny fisian’ireo fahazoan-dalana fananganana ireo fotodrafitrasa marobe tsy ara-dalàna nahazo laharana sy nampiasaina nefa tsy nandalo sy tsy nisy sonian’ny tompon’andraikitra voalohany avy ao amin’ny CUA. Hiroso amin’ny fampiasana ilay antsoina hoe « hologramme» manomboka izao ny tanànan’Antananarivo Renivohitra hiarovana ny antontan-taratasy amin’ny hosoka. Mitaky pitsopitsony samihafa rahateo ny fametrahana io fomba fiasa vaovao io ho tombontsoan’ny kaominina sy ny mpanjifany, hoy ity mpitantana lefitra ny renivohitr’i Madagasikara ity. Nankatoavin’ny mpanolontsain’ny tanàna omaly moa ny fampiasana azy io miaraka amin’ny famoahana tolobidy ho an’izay mpiara-miombon’antoka vonona ny hifanome tanana amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. 

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT