Ny alatsinainy 6 janoary tolakandro teo teny Andrainarivo, amin’ilay lalana mandalo ny Hôtel Panorama hivoaka any amin’ny Cité Planton iny no nahitana ny toe-javatra hafahafa.
Misy fanamboarana trano iray eo eny an-toerana. Raha araka ny takelaka (panneau) milaza ny mombamomba ny asa dia tsy tranom-panjakana ilay izy, fa ana orinasa iray Mitea Sarl, araka ny soratra eo amin’ny takelaka. Ny mahagaga anefa dia kamiao misy soratra hoe « Présidence de la République » eo amin'ny fitaratra anoloana (pare-brise) no mitatitra ireo fitaovana sy akora ilaina amin’ny fanamboarana azy toy ny vatokely, fasika,… ireo no hita fa ny efa nisy tany aloha tsy fantatra. Raha andeha ary atao hoe tranom-panjakana ary io amboarina io, tranon’ny “Présidence” ve sa efa nivadika ho orinasa mpanao asa vaventy na “entreprise en bâtiments” ihany koa ve izany ny Fiadidian’ny Repoblika ? Fitaovam-panjakana ilay fiara raha ny fampiasana ilay anaran’ny fiadidian’ny Repoblika. Tsy takelaka mena kosa anefa. Raha jerena amin’izay, dia mety misy tompon’andraikitra ara-panjakana ao anatin’ny fiadidian’ny Repoblika nampiasa sy nanao fitaovana ny toerany, ka nampiasaina any amin’ny tsy tokony ho izy. Raha tsy izay dia fisandohana tanteraka ny fanjakana izao na fifanarahana maloto hampiasa ny anaran’ny fiadidian’ny Repoblika. Na inona na inona anefa fanazavana, dia misy fandikan-dalàna goavana ao anatin’io. Andrasana ny fanadihadiana sy ny fanazavana momba ity toe-javatra ity. Endrika iray isehoan’ny fanararaotam-pahefana sy ny fanaovana fitaovana ny fahefam-panjakana mba ho amin’ny tombontsoa manokana. Taratry ny fanjakana tsy tan-dalàna ny tahaka itony, ary tena miainga avy any ambony ny ohatra ratsy. Volam-bahoaka no lany amin’ny fitaovana sy ny fampandehanana azy ireny, saingy toa anaovan’ny vitsy an’isa mpindrana fahefana ny sitrapony sy ho amin’ny tombontsoany. Asa mbola hoboriboriana amin’ny valy boraingina hoe : tsy fiaran’ny babanao ve izao ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.