Actualités

Fiaran’ny minisitra sy ny ekipany Tsy mahazo manao hitsin-dalana intsony


  • Alatsinainy 28 Janoary 2019

Ny zoma lasa teo dia niatrika ny fihaonana lehibe voalohany teo amin’ny governemanta sy ny mpikambana ao aminy na ny filankevitry ny minisitra.

 

 

 

 Nampahatsiahiavin’ny praiminisitra ny asa miandry ireo minisitra sy fitsipi-pitondran-tena. Nitondra ny hafatra ho an’ireo minisitra 22 amin’ny asa miandry azy ireo ny praiminisitra. Fotoana izao hanovana fomba famindra amin’ny fitantanana raharaham-panjakana, hoy ny tatitra. Nankinina tamin’ireo minisitra ireo ny fanatanterahana ny fandaharan’asan’ny filoham-pirenena ary nohamafisiny fa ireo minisitra ireo no maodely. Araka izany,  zavatra takiana amin’ny governemanta dia ny firaisankina, ny tsy fitanilana, fanajana ny ambaratonga ara-pahefana, ny fanarahan-dalàna, ary mila olona mahitsy azo itokisana indrindra ny hahazoana vokatra amin’ny asa hatao. Notakian’ny praiminisitra Ntsay Christian ihany koa ny fahaizana mitondra ny tena. Nosoritany mazava tsara fa voarara ny fampiasan’ny minisitra ny “gyrophare” na ny mampaneno fiara midika fangatahan-dalana. Voarara ny fanaovana hitsin-dalana na “sens interdit”. Tafiditra ao anatin’ny fifanarahana fitsipi-pitondran-tena nosoniavin’ireo minisitra 22 nandritra ny filankevitra ireo fepetra ireo. Samy miandry ny fivoaran’ny toedraharaham-pirenena ny vahoaka Malagasy kanefa tsy manan-jo hanao fahadisoana ihany koa ny governemanta, indrindra ao anatin’ny telo volana voalohany hitondrany.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT