Avy nitrandraka vaovao ireto mpanao gazety roa lahy avy amin’ny fahitalavitra TVM sy kaominina ambonivohitra Mahajanga no nodonin’ny fiarana zandary teo amin’ny Bois Sacré ny marainan’ny talata tokony ho tamin’ny 11ora antoandro teo
. Raha ny fanazavan’ireo nanatri-maso ny loza dia niezaka nijanona ireo mpanao gazety roa nitondra «moto» saingy nandeha mafy ilay zandary ka tsy nahatazona ny hisatra intsony. Vokany, tapaka ny tongotr’ilay mpanao gazety avy amin’ny Kaominina ary naratra mafy teo amin’ny lohany ilay avy amin’ny fahitalavi-pirenena. Niteraka disadisa teo amin’ireo mpanao gazety niharam-boina sy ilay zandary ny fangatahan’ireto farany hanao fitsirihana ny amin’ny loza niseho. Vava be sy fandrahonana no navalin’ilay zandary azy ireo. Niantso ny namany mihitsy ity mpitandro ny filaminana ity mba hiaro azy ary nitondra fitaovam-piadinana nandritra ny fahatongavan’izy ireo teo amin’ny toerana nisehoan’ny loza. Tamin’ny ora farany dia raikitra ihany fa handray an-tanana ireo naratra ilay zandary sy ny vadiny satria dia efa nisy ny antso an-tariby avy amin’ny tompon’andraikitra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.