Taorian’ny lozam-piaramanidina mahatsiravina nahazo ny Boeing 737 Max an’ny Kaompania Ethiopian Airlines nahafatesana olona 157 ny 10 martsa teo, dia ny an’ny Air Mauritius indray no nisy fahavoazana ny sabotsy teo, saingy tsy nitera-doza aloha.
Nanana olana ara-teknika mantsy ny sidina MK042 an’ny Kaompania Maorisianina Air Maurtius ny alin’ny sabotsy (23h 28) teo, raha niainga avy tao amin’ny seranam-piaramanidin’i Sir Seewoosagur Ramgoolam (SSR) hihazo an’i Heathrow any Londres-Angletera. Voatery nanaja ny fepetra rehetra tsy maintsy niverenana haingana tao Maorisy ny mpanamory, ary voasoroka ny loza nahiana hitranga. Tsy nisy zavatra simba na olona naratra nandritra ny fidinana tsy maintsy natao taorian’ny fisidinan’ny fiaramanidina manodidina ny 15 minitra sy tsy maintsy nihodinana haingana, ary tsy maintsy nihodinkodina 45 minitra ambany dia ambany (1800m miala ny tany) izy io, mba nahafaha-nanary sy nandoro ny solika (kérosène) izay mavesatra, raha ny nambaran’ny gazety Maorisianina iray. Tsara ny manamarika fa anisan’ny sidina ana habakabaka nomen’ny fanjakana Malagasy alalana hisidina malalaka eto ny Air Maritius, taorian’ny fitsidihana nataon’i Andry Rajoelina tany an-toerana tapa-bolana lasa izay. Marina fa zava-dehibe ny fifaninanana fa maro ihany koa ny mihevitra fa miteraka fahapotehan’ny kaompania Malagasy na miankina amin’ny fanjakana na tsia ny fanomezana tombondahiny ity kaompania vahiny ity. Misy kaompanian’ny mpandraharaha Malagasy rahateo eto tsikaritra fa toa tratry ny fahirano noho ny mety ho tsy fitovian-kevitra ara-politika.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.