<. Ankoatr段reo dia valaka mitatitra ny entan地y mpitondra ny fiaramanidina, izay efa antitra rahateo. Tranga iray ny niseho tamin地y alahady 12 oktobra 2014 lasa teo. Ankoatra ny entan地y mpandeha avy aty Antananarivo nihazo an段 Paris dia nibaby enta-mavesatra ilay Airbus A340-300 mitondra lokon地y 鄭ir Madagascar�. Tsy nisy valaka tamin段zay koa tamin地y fiverenany, niala tao Roissy Charles de Gaule hitodi-doha ho aty Antananarivo.
Fiarabe anankiroa be izao no nitatitra ny entana nankao amin’ilay fiaramanidina. Nahemotra ora dimy moa ny fiaingan’ny zotra tamin’io andro io, izay tsy nisy fanazavana tamin’ny mpandeha akory, ka tombanana fa anisan’ny nitarika ny fahataran’ny fiaingana ny fiandrasana io entam-be io. Entana mpitondra ambony raha ny re teny Ivato. Mbola niampy olana hafa moa avy eo, noho ny fahasimban’ny seza fipetrahan’ny mpandeha, ka nihemotra ora iray indray koa ny fiaingana niandry ny fanamboarana satria tsy nety niainga ny mpanamory raha tsy tomombana tsara ny fiarovana ny mpandeha tao anatiny. Noho ny vesatry ny entana nentiny sy ny hamaroan’ny mpandeha tao anatiny dia efa ho 20 minitra vao tafakatra ny antsasaky ny haavo mahazatra ny fiaramanidina, 5000 m raha tokony ho efa any amin'ny 10 000 m. Rehefa niantsona indray dia efa tany amin’ny faran’ny “piste” vao tafajanona ilay fiaramanidina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.