Fiara 4x4 roa samy takelaka mena voalaza fa an'ny ministeran'ny serasera no indray simba ny faran’ny herinandro teo andro tsy fiasana, raha ny vaovao azo.
Ny fiara iray mety nifandona na nandona rindrina tany ho any. Ny iray niparitaka ny “boite d'embrayage”, ary ity faharoa nahitana tavoahangy sy tsaky, raha ny vaovao voaray hatrany. Fiara avy amin’ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola (PTF) ity faharoa ity ary natao hiasana amina tetikasa iarahana amin'io mpiara-miombon’antoka io. Nisy asa tsy maintsy natao faran’ny herinandro ve sa nampiasaina tamin’ny tsy ara-dalàna ny fananam-panjakana ? Aiza ho aiza amin’izany ilay fanarahan-dalàna sy fahaiza-mitantana ? Midika io fa tsy voahaja ny fanamafisana ny lalàna amin’ny tsy tokony hampiasana fahatany ny fiaram-panjakana, ka izany no nanamafisana ny famerenena ny takelaka mena. Ny praiminisitra no nanamafy an’io, ary tsy iza ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina izay nahitana ireo fiara nampiasaina tsy ara-drariny fa Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy, izay mpanolotsaina azy teo aloha. Voizina ny resaka fahaiza-mitantana sy ny tsy fandanilaniam-poana volam-panjakana, saingy ny lohany indray izany izao no matsatso, raha ity zava-misy tao amin’ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina ity. Ho sahy handray fepetra hentitra amin’ireo olona mety nampiasa izany ve ny minisitra sa hosarontsaronana ny marina satria mety izy na ny mpiara-miasa taminy no nanararao-pahefana sy niliba tamin’ny fananam-panjakana amin’ny andro tsy fiasana ?
Tia Tanindrazana
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.