Actualités

Fiaram-panjakana nanararao-pahefana Voasazy avy hatrany ilay Tale


  • Zoma 23 Aogositra 2019

Namoaka taratasy ofisialy fialan-tsiny omaly ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka ny Pr Rakotonirina Julio.

 Ny antony dia noho ny fandefasana anjomara vao maraim-be (6 ora 20mn) teny Ampefiloha nataona fiara Toyota Land cruiser V8 takelaka mena mitondra ny laharana 8900 WWT izay voamarina fa ampiasaina tale iray eo anivon’ity minisitera ity. Navoakan’ireo nahita avy hatrany tany anaty tambajotran-tserasera ary niteraka resabe omaly tontolo andro ity tranga iray ity. Voalazan’ny fanambaran’ny minisitry ny fahasalamana fa efa nampanantsoina nangatahana fanampim-panazavana ary avy eo nangalana fepetra mifandraika amin’ny zavatra tsy mety nataony sady mbola narahana sazy fampitandremana ity tale ity. Nanampy izay dia nanao fanekena an-tsoratra ingahy tale fa tsy hamerina intsony. Hentitra tokoa ny fandaminana napetraky ny praiminisitra Ntsay Christian vantany vao tonga teny Mahazoarivo izy fa tsy misy manampahefana afaka manao hitsin-dalana sy mampaneno kiririoka na kipantsona na anjomara eny an-dalambe fa manaja ny fandaminan’ny fifamoivoizana, afa-tsy ireo filohana andrim-panjakana ihany. Anatra ho an’ny hafa iny.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT