Actualités

Fiarahan’ny mitovy fananahana Zava-doza ho an’ny Malagasy


  • Alarobia 07 Desambra 2016

Foto-kevitra sy foto-pisainana voizina amin’izao fotoana izao ny fanomezana vahana ny fiarahan’ny olona mitovy fananahana na ny LGBT (Lesbian, Gay, Bisexual and Transgender).

 Efa manjaka any ivelany any io, ary ezahina ny hanaparitaka azy aty amin’ny tany an-dalam-pandrosoana, anisany i Madagasikara. Nivoy ny tokony hamelana malalaka azy ny Praiminisitra Kanadianina Justin Trudeau nandritra ny fiatrehany ny fihaonana an-tampon’ny frankofonia natao teto amintsika. Fanoherana an-kitsirano ny lalànan’ny natiora anefa izany saingy takonana ao anatin’ny hoe fampitovizan-jo. Na ny foto-pisainana sy ny kolontsaina Malagasy, na ny baiboly dia samy mandrara azy io avokoa. Tsy misy na finoana iray aza eto ambonin’ny tany mamela malalaka izany, misongadina ny kristianina sy ny silamo, izay maro an’isa. Ankoatra izay, manjaka ihany koa ny dihy mampandihy fitombenana izay tsy ho raisina be fahatany ho ratsy, saingy rehefa io no mibahana dia mirongatra ho azy ny fivarotan-tena noho ny fahalainana hisahirana kanefa te hanankarena tampoka. Malalaka ny firenena sy ny olona tsirairay amin’ny kolontsaina sy foto-kevitra ijoroana ary zon’ny tsirairay ny miezaka manaparitaka ny kolontsainy, saingy isika Malagasy no tokony ho mailo sy tonga saina ka handanjalanja ny voka-dratsy sy voka-tsoa avy aminy. Zon’ny Malagasy ary adidin’ny mpitondra ny mametraka lalàna mandrara izany, fa tsy hanaiky be fahatany ny kolontsaina hita fa hamotika ny an’ny tena. Tsy tokony hohadinoina fa ny fahalalahana ara-kolontsaina tsy midika fa baranahiny ny zava-drehetra. Antoky ny fiandrianam-pirenena sy porofon’ny fitiavan-tanindrazana ny fiarovana ny kolontsain’ny tena tsy ho potika fa tsy sanatria fanavahan-tena amin’ny hafa.  Ny Arabo, ohatra, dia tsy manisy adihevitra akory raha vao kolontsaina na fomba mety hanimbazimba na hamotika ny kolontsainy sy ny finoany resahina.

Toky R. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT