Actualités

Fiarahamonina Malagasy Tsy hitovy mihitsy ny lahy sy ny vavy


  • Sabotsy 19 Novambra 2016

Amin’ny maha Malagasy antsika dia efa manana ny soatoavina antsika manokana isika, hoy Atoa Ratiharison Jean Navandahy filoha nasionalin’ny fikambanana Za’Gasy Mandroso, raha tafaresaka tamin’ny gazety Tia Tanindrazana izy omaly teny Ambanidia.

 

 Mifototra indrindra amin’ny fanajana ny antanatohatra misy eo amin’ny fiarahamonina ny soatoavina ka mahazo haja manokana ny raiamandreny manoloana ny zanaka ary ny zoky manoloana ny zandry olona. Ambarako eto, hoy ny filohan’ny Za’Gasy Mandroso fa ny adidy sy andraikitra sahanin’ny olona tsirairay avy no miteraka zo ary dia samy manana ny zo tandrify azy avokoa ny sokajin’olona tsirairay.

Tsy hitovy mihitsy ny lahy sy ny vavy eo amin’ny fiarahamonina Malagasy satria ny lahy no natao hiaro ny vehivavy sy ny tanàna amin’ny ankapobeny ary ny vehivavy kosa dia efa napetrany tamin’ny toerana tokony hisy azy dia ny fikarakarana ny tokantrano sy ny ankohonany. Efa zo azon’ny vehivavy hatrizay izany ka tsy tokony hisy famitahana eo anivon’ny fiarahamonina fa tsy hitovy velively ny lahy sy ny vavy. Io fanajana ny antanatohatra io no nampilamina ny fiarahamonintsika teto hatrizay fa nisafotofoto kosa ankehitriny noho ny fahaverezan-kasin’ny rafitra antanatohatra sasany (singanina amin’izany ny fahaverezan’ny hasin’ny fokontany ankehitriny).

Nasian-dRatiharison Jean Navandahy fanamarihana koa ny amin’ny olana fitrandrahana harena ankibon’ny tany any Soamahamanina. Nolazainy fa manana andraikitra lehibe amin’io raharaha io ireo depioten’i Madagasikara izay tokony hanolotra tolo-dalàna eny amin’ny Antenimieram-pirenena amin’ny maha mpanao lalàna azy ireo mba hampazava ity resaka fitrandrahana harena eto amintsika ity.

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT