Rafitra iray voalazan’ny Lalŕmpanorenana ny fananganana ny «Haute Cour pour la Défense de la Démocratie et des Droits Humains» eto Madagasikara.
Miomana amin’ny fiatrehana izany avokoa ankehitriny ireo andrimpanjakana sy ireo fikambanana samihafa eto amin’ny firenena. Ahitana mpikambana 9 ity Fitsarana ambony miaro ny demokrasia sy ny zon’olombelona ity. Hanana solontena iray avy ao anatin’izy io ny Fiadidiana ny Repoblika, ny Antenimierandoholona, ny Antenimieram-pirenena, ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, ny Fitsarana tampony, ny fiombonamben’ny fikambanana mivoy ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna, ny fikambanamben’ny mpiaro ny zon’olombelona amin’ny alalan’ny kaomisionina nasionaly mahaleotena misahana ny zon’olombelona, holafitry ny mpanao gazety ary ny holafitry ny mpisolovava. Marisarisa anefa ireo sehatra fototry ny fampandrosoana ny mpiara-belona ireo ho an’ny fiarahamonina Malagasy, hoy ny filohan’ny «Union Nationale Malagasy des Droits de l’Homme» Rafolisisoa Hanitriniala. Sosokevitry ny Unmdh moa ny famaritana masontsivana mazava ho an’ireo ho mpikambana handrafitra ny HCDDED izay manana andraikitra amin’ny fanentanana miaraka amin’ny fanabeazana olom-pirenena.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.