Actualités

Fiarahamonina ifotony Mila mitsikera sy mitondra vahaolana


  • Sabotsy 24 Oktobra 2015

Natomboky ny fikambanana Vondron’Olon-Tsotra teny amin’ny fokontany Imamba Soavimasoandro omaly ny fidinana ifotony fanentanana ny olom-pirenena tsotra handray andraikitra amin’ny fampivoarana ny fiainam-pirenena.

  

 

Fijerena ifotony izay miompana amin’ny fihainoana miaraka amin’ny fifanakalozan-kevitra miainga avy amin’ny zava-misy iainan’ny mpiara-belona manoloana ny fahasahiranana samihafa mianjady amin’isan-tokantrano nefa iombonan’ny mpifanolo-bodirindrina ihany koa. Mampiavaka ity fokontany ao amin’ny boriborintany faha-5 ity tao anatin’ny efa-taona izao ny fijalian’ireo mponina amin’ny fiakaran’ny rano rehefa tonga ny fotoam-pahavaratra. Mifototra amin’ny fambolena legioma sy vary miaraka amin’ny fiompiana anefa ny antom-piveloman’ny maro an’isa eny an-toerana. Mila mihetsika sy mifanome tanana ao anatin’ny fifampitaizana ny samy olon-tsotra raha tiana ny hanarina ny fiarahamonina Malagasy, hoy ny filohan’ny VOT Ravaonirina Sarah Zoé. Tena ilaina ny fitsikerana saingy takiana ihany koa ny vahaolana avy amintsika ety ifotony mba ho fanampiana sy fanamorana ny asa sahanin’ireo tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny, araka ny fanampim-panazavany. Tsy hisy intsony mantsy amin’izay ny elanelana eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka.

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT