Hotanterahina etsy amin’ny Motel Anosy, Antananarivo amin’ity tontolo andron’ny alakamisy 20 oktobra 2016 ity ny fikaonan-doha momba ny fametrahana ny fifaneraseran’ny fikambanan’ny fiarahamonin’olom-pirenena
. Fotoana io hahafahan’izy ireo mihaona, hifampizarana traikefa sy hifandaharana manodidina ny lohahevitra «Ny Malagasy, olom-pirenena daholo ve ?». Ny Ambasady frantsay eto Madagasikara no mikarakara ity fihaonana ity, ka ny tanjona, hoy izy ireo, dia ny hampiroboroboana ny fifanakalozan-kevitra eo amin'ny samy olom-pirenena sy ny ambaratongam-pahefam-panjakana rehetra hanatsarana kokoa ny lafiny ara-tsosialin’ny mponina, hisian’ny fiaraha-miaina tsara kokoa hipaka amin’ny fampandrosoana ny firenena.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.