Notanterahina omaly tetsy amin’ny Le Pave Antaninarenina ny tatitra vokatry ny fanadihadiana natao momba ny tomban’ezak’ireo fiarahamonim-pirenena Malagasy tao anatin’ny 3 taona.
Izany hoe ny taona 2015 ka hatramin’ny 2017. Araka ny nambaran’ny mpandrindra ny Voahary salama izay fikambanambe ivondronan’izy ireo, Andriamanjato Razafimandimby, dia an-dalam-pivoarana ny fiarahamonim-pirenena eto Madagasikara satria 4,4/7 indray no naotiny tamin’ny taona 2017 raha 4,5 tamin’ny 2015 ary 4,4 ihany koa ny 2016. Niahatsara ny resaka sisin-kevitra na “Plaidoyer” ary zava-dehibe koa ny fahaiza-miara-miasa niatrika ny raharaham-pirenena tamin’ny alalan’ny hetsika Rohy, hoy hatrany ny fanazavana. Olana ny eo amin’ny ara-bola satria miankin-doha lava amin’ny mpamatsy vola kosa anefa isika, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.