Tsy voahaja araka ny tokony ho izy ny zon’olombelona eto amintsika, hoy ny “Groupe de travail sur les droits de l’homme” ( GTDH), hivondronan’ireo masoivoho maro samihafa eto amintsika.
Betsaka ireo endrika hisehoany toy ny fahasahiranana mianjady amin’ny isam-baravarana ka tsy hahafahan’izy ireny mampiana-janaka intsony, ny tsy fisian’ny asa fivelomana, antony mampirongatra ny tsy fandriampahalemana. Na iza na iza mpitondra tonga eo amin’ny fanjakana, hoy Rtoa Chandoutis Raoera, anisan’ireo vehivavy voalohany nananganana ny fikambanana miaro ny zon’olombelona voalohany teto Madagasikara dia tokony hanaja ny zon’olombelona izy fa tsy hihatsaravelatsihy. Ny fanjakana no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanajana izany manerana izao tontolo izao raha anjaran’ny mpanao gazety kosa ny mampahafantatra izany amin’ny vahoaka hoy izy. Nankalazaina omaly Alatsinainy 10 desambra ny andro maneran-tany ho fanajana ny zon’olombelona. Anisan’ny nampahafantatra ny asa hatao tetsy amin’ny Carlton Anosy ny GTDH, tafiditra ao anatin’ny fahatsiarovana ny faha-70 taona nanaovana ny fanambarana ny zon’olombelona raha tamin’ny taona 1996 kosa vao nampihatra izany isika teto Madagasikara.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.