Voafehy anaty dina iray manomboka izao ny fiarahamonim-pirenena rehetra eto Madagasikara .
Omaly no nanolorana izany ho fanta-bahoaka tetsy amin’ny Tahala Rarihasina Analakely mba hahatonga azy ireo tena hanana ny toerany sy ny lanjany rehefa miteny fa tsy sanatria ho tsy misy mpihaino toy ny teo aloha intsony. Ny fiarahamonim-pirenena Rohy no anisan’ny angady nananana sy vy nahitana azy izany raha ny araka ny fantatra ho tombontsoan’ny rehetra. Hanana ny toerana maha-izy azy amin’izay araka izany ny fiaraha-monim-pirenena rehetra raha araka ny fanazavan’ny solontenan’izy ireo. Tsy hisy intsony ireo ho variana amin’ny famatsiam-bola avy any ivealny na hitondra fahatany izany anarana izany fa mba tena hiasa sy hijoro ho an’ny firenena ary hametraka ny hasiny eny anivon’ny fiaraha-monina. Ny hahafahan’ny rehetra manambatra ny heriny moa no tena tanjona, famolavolana efa nataon’ireo fiaraha-monim-pirenena miisa 12 mivondrona ao amin’ny Komitin’ny Rohy amam-bolana lasa izay.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.