Actualités

FIARAHA-MITANTANA NY ILES EPARSES ?


  • Alakamisy 02 Oktobra 2014

Fiaraha-mitantana no ho lamaody ? Fiaraha-mitantana no hita fa mety ? Satria ianareo tena kaody dia kaody, Raha vao manontany ny mpanao gazety ?

Dia tompony nefa dia hangataka atiny.

Tompony nefa dia tena jambena ?

Miomàna sakaiza fa “hihinan`ny fatiny”

Raha ny olon-kafa no hifehy ny an`ny tena.



Fa hay ianareo efa tena mandady

Sy tena mikimpy ary mandeha an-jamba ?

Ry “hery mampiesona” o ! sao any an-kady

Vao hoe hiantso vonjy sy hanofa lamba.



… Zahay koa hitaky fiaraha-mitantana

Ny “tokantrano” sy ny ao aminao,

Ka hangataka sady hiteny mivantana

Hoe ny an`ise re mba zarazarao.



Fa fiaraha-mitantana izany no tsara

Ka hiara-mitantana isika rehetra:

Na vady na vola , iaraha-mizara.

Fiaraha-mitantana no tarigetra.

    DADAN`I ZINA (01-10-14)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT