Actualités

Fiaraha-mientan’ny mpiasam-panjakana « Mampahantra anay ny fitondrana ankehitriny. »


  • Alakamisy 19 Martsa 2020

Niantso sy nanentana ireo mpiasam-pirenena na “retraités de l’Etat » isaky ny minisitera manerana an’i Madagasikara tetsy amin’ny Telozoro

 

 

 

Andrefan’Ambohijanahary omaly ny avy eo anivon’ny fiaraha-mientan’ny mpiasam-panjakana na F3M fa hisy toromarika lehibe hampitaina amin’izy ireo ny zoma izao eny Ankatso. Antony, hoy izy ireo, dia ho fanoherana ny fampiatoana nataon’ny fitondram-panjakana ankehitriny momba ny fanomanana fisotroan-dronono na “indemnité d’installation à la retraite”. Nampatsiahivin’izy ireo fa araka ny naoty navoakan’ny minisitera tompon’andraikitra tamin’ny fotoana androny na MEF ny 5 aprily 2019, izay nosoniavin’ny DGFAG ary manohitra ny didim-panjakana laharana 2003-993 tamin’ny 7 oktobra 2003 izay milaza fa zon’izy ireo tanteraka sy ara-dalàna izany no anton’izao. Manentana antsika nisotro ronono rehetra tsy an-kanavaka manerana ny nosy, hoy ny F3M, hiray hina hanery amin’ny lafiny rehetra an’ity fitondrana ankehitriny ity mba handoavany an’io ambim-bolantsika io ao anatin’ny fotoana fohy. Nampita hafatra manokana tamin’ny filohan’ny repoblika, Andry Rajoelina, mihitsy moa izy ireo ary nilaza tsy am-pihambahambana fa mampahantra azy ireo ny ataon’ny fitondrana ankehitriny ary tsy misy fahavalon’ny mpiasam-panjakana afa-tsy izay mampahantra azy. Raha tsy tiana ny hisian’ny hetsika mafimafy kokoa, hoy hatrany ny F3M, dia haloavy ireo tokony ho anjaranay.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT