Anisan’ny nahatonga solontena nandray anjara tamin’ny tohin’ilay Dinika ho fanavotam-pirenena izay natao tetsy amin’ny hotely Panorama Andrainarivo, omaly,
ny avy eo anivon’ilay Hetsika Fiaraha-mientan’ny kristianina tsara sitrapo izay nampitondra ny tenin’izy ireo an’ingahy Raobison Pierre. Nilaza ary izy ireo fa dia manohana ny hetsika ataon’ny Antso ho Fanavotam-Pirenena na ny AFP izay hatao anio ary na tsy ho tonga eny an-toerana aza ny vatan-tenan’izy ireo dia hitrotro am-bavaka. Ny fahantrana mihitsy, hoy ny mpitondra teny, no tena mila hanonganana. Somary tsikaiky ihany moa ireo mpanatrika tonga teny an-toerana nahare izany ary dia mbola nanampy indray avy eo ny avy eo anivon’ny dinika ho fanavotam-pirenena fa aleo andeha aloha ny AFP dia manaraka avy ato afara izy ireo.
Faralahimatoa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.