Actualités

Fiaraha-miasan’ny CUA sy ny Masoivoho Indianina Hovelomina ny lalana Mahatma Ghandi sy Indira Ghandi


  • Alakamisy 22 Aogositra 2019

Nitsidika ara-pomba fifanajana ny ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana, tetsy amin’ny lapan’ny tanàna Analakely omaly maraina, ny ambasadaoro vaovaon’i Inde monina sy miasa eto amintsika, Atoa Abhay Kumar.

 

 Anisan’ny voaresaka tamin’io fihaonana io ny hamelomana lalana roa eto an-drenivohitra mitondra anarana olo-malaza any Inde sy eto amin’izao tontolo izao. Hovelomina indray mantsy ny takelaby famantarana ny lalana Mahatma Ghandi eny Mahamasina sy ny lalana Indira Ghandi eny Tsaralalana. Hovelomina toy izany koa ireo mari-pamantarana amin’ny arabe na “marquage au sol” amin’ireo lalana roa ireo. Tafiditra amin’ny fahatsiarovana ny faha-150 taona nahaterahan’i Mahatma Ghandi izao hetsika izao, ka hotokonana tsy ho ela ireo lalana ireo. Voaresaka nandritra ny fihaonana teo amin’ny ben’ny tanàna sy ny masoivohon’i Inde vaovao ity koa, ny hanaovana tanàna mpirahavavy an’Antananarivo amin’ny tanàna iray any Inde.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT