Efa voasonia tamin’ny taona 2015 ny fifanarahan’ny CUA sy Easy Park ary maharitra 15 taona, hoy i Tiana Rasamimanana, tompon’andraikitry ny serasera ao amin’ity orinasa tsy miankina misahana ny fiantsonan’ny fiarakodia eto Antananarivo ity.
Tsy misy olana fa apetrakay foana fa anaty fifanarahana sy lalàna no iasan’ny Easy park. Tsy misy idiranay ny resaka fifidianana satria ny CUA no nanaovanay fiaraha-miasa, hoy izy raha nanontaniana amin’ny mety ho tohin’ny fiaraha-miasa amin’izay ben’ny tanàna vaovao eo. Mikasika ny resaka fanapahan-kevitry ny kaominina ankehitriny momba ity orinasa ity kosa dia nilaza ny tenany fa tsy olana mihitsy ny fisian’ny fandaminana raha toa ka hanatsarana ny asa. Averina indray fa ny didim-pitondrana laharana 048 no milaza mazava io resaka fitantanana ny fiantsonana eto Antananarivo io.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.