Actualités

Fiaraha-miasa Vahiny roa samy hafa teny Iavoloha


  • Talata 09 Desambra 2014

Nampahafantatra ilay rafitra fitantanam-bola vaovao eo anivon’ny banky afrikanina misahana ny fampandrosoana tamin’ny filohan’ny Repoblika Rajaonarimampianina Hery omaly teny Iavoloha ny iraka “

Senior Management” notarihan-dramatoa Tas ANVARIPOUR, talen’ny vaomieran’ny fampandrosoana maharitra ao Bénin sady mpitantana delegen’ny Africa50 izay nankatoavina nandritra ny fivoriambe isan-taona tany Kigali tamin’ny aprily 2014. Hitondra ny anjara birikiny ara-bola i Madagasikara amin’ny maha firenena mpikambana mpanorina ny rafi-pitantanana Africa 50 azy. Hanao izay hahatomombana io tohana avy amin’ny firenena Malagasy io ihany koa ity iraka ity mialoha ny fihaonana hotanterahana ny volana febroary 2015. Vahiny faharoa noraisin’ny filoham-pirenena kosa ny Federasionin’ireo orinasa avy any Singapour. Sampan’asany eto Afrika moa ny “Africa Business Group” nijoro tamin’ny jolay 2010. Antom-pisiany ny hanamora ny fampiasam-bola sy ny varotra eo amin’ity firenena aziatika sy i Madagasikara ary ireo firenen-kafa. Antenimieran’ny varotra faratampony miaro ny tombontsoan’i Singapour eo amin’ny sehatry ny fandraharahana anatiny sy manerantany ity federasionina ahitana orinasa 21.000 ity.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT