Hatao tanàna mpirahavavy ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny tanànan’i Jerosalema any Israel, raha araka ny vinavina.
Mandalo eto an-tanindrazana ankehitriny ny iraka avy amin’ny AII : African Israel Initiative, na fikambanam-piaraha-miasa eo amin’i Israel sy ny Afrikanina, tarihin’ny Pastora Jostein Skevik, izay tale misahana ny departemanta momba ny baiboly ao amin’ity fikambanana ity. Nihaona tamin’ny ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana izy ireo omaly maraina. Dinika savaranon’ando momba ny hanaovana tanàna mpirahavavy ny renivohitr’i Madagasikara sy i Jerosalema no nataon’ny roa tonta tamin’izany, hisy avy eo ny fitondrana ny hevitra tapaka any Israel mialoha ny tena hirosoana amin’ny fifamatorana eo amin’ny tanàna roa tonta. Ny AII dia fikambanana kristianina tsy miankina amin’ny fiangonana, manamora ny dingana ho fiaraha-miasa amin’ny any Israely, manamora koa izy ireo ny fomba hahafahana mitsidika ny any Jerosalema sy ny avy any mankaty. Any Jerosalema no misy hopitaly tsara indrindra manerana izao tontolo izao, lasa lavitra izy ireo amin’ny sehatry ny teknolojia vaovaon’ny fifandraisana, avo lenta ny resaka fanabeazana, heverina noho izany ny hampiharana izany amin’ny lafiny sosialy sy ny fampandrosoana ny mponina eto an-drenivohitra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.