Actualités

Fiaraha-miasa ara-toekarena Hanome 60 miliara dolara an’i Afrika ny Sinoa


  • Alatsinainy 07 Desambra 2015

Nifarana ny sabotsy hariva teo tany Johannesburgh Afrika atsimo ny fihaonana teo amin’i Sina sy ny kaontinanta Afrikanina. Nisongadina taorian’ny dinika sy ny adihevitra ny fanokanan-dry zareo Sinoa vola 60 miliara dolara ho fanampiana an’i Afrika.

 


 Tsy homem-potsiny iray manontolo io fa misy ny azo amin’ny alalan’ny fanomezana fanampiana, ao kosa ny vola indramina saingy kely ny zanabola alaina aminy. Miankina betsaka amin’ny zava-misy any amin’ny firenena tsirairay avy ny fampiasana ny fanampiana mba hampandrosoana ilay firenena, hoy ny filoha Rajaonarimampianina nandritra ny anjara kabariny. Ho an’i Madagasikara manokana, izay nosy, dia anisan’ny zava-dehibe aminy ny fitaterana an-dranomasina sy ana habakabaka. Ilaina koa anefa ny fanamboaran-dalana mba hahafahana mifanerasera, hoy izy. Nambaran’ny filoha fa mifanandrify tsara mihitsy amin’ilay PND noheverina hampandrosoana an’i Madagasikara ireo lohahevi-dehibe 10 mamintina ny fiaraha-miasa ara-toekarena eo amin’i Afrika sy Sina, nambaran’ny filoha Sinoa Xi Jinping. Samy nankasitraka ity fiaraha-miasa amin’ny kely maso ity avokoa moa ireo filoham-pirenena Afrikanina 35 nivory tany Johannesburg. Midika izany fa hanamafy orina ny fipetrahany aty Afrika ihany koa taorian’ny Frantsay sy ny Amerikanina ny Sinoa.

 


 

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT