Mila antsoina ireo orinasa vahiny vaventy avy any ivelany mba hamokatra herinaratra eto ao anatin’ny fotoana voafetra, izany hoe 15 taona farafahakeliny, hoy ny mpahay toekarena Faly Ramakavelo, raha hitady vahaolana amin’io resaka fahatapahan-jiro lavareny io.
Ny antony dia ahafahan’ireo vahiny ireo, mampihodina ara-drariny ny orinasany aloha. Rehefa tapitra ilay fe-potoana nifanarahana dia tokony hisy ny fampitana traikefa. Ny dikan’izany dia tokony hampianarin’ireo vahiny antsika ny fahaiza-manaony nahafahan’izy ireo nanodina ireo orinasa mpamatsy angovony mialoha ny hamelan’izy ireo hitantana ireo orinasa navela notantaniny teo aloha. Efa maro ny firenena nanao io fomba fiasa io antsoina hoe “transfert de technologie” anisan’ny nampandroso ny firenena Sinoa. Ny Indianina, ny Koreanina tatsimo sy ireo firenen-kafa marobe izay maniry hitrandraka angovo eto amintsika ireo, hoy izy, dia tsara hararaotina.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.