Tovovavikely iray no voadonan’ny fiaran’ny tafika avy nanao matso tetsy Mahamasina omaly takariva, teo akaikin’ny La Gastronomia Pizza aty amin’ny vavahady Atsinanana.
Iray amin’ireo fiara tsy mataho-dalana marika Land Cruiser vao natolotra ny tafika izao nitera-doza izao, izay heverina fa noho ny fandehanana mafy satria nisy fahasimbana mihitsy ilay fiara ankoatra ny ratra nahazo ilay zaza, izay voatery novonjena any amin’ny hopitaly. Asa na noho ny fiara vaovao ka tsy mbola voafehy tsara na tena nitsapa ny tanjany ka loza no naterany. Ny loza sy ny andro miditra ihany koa anefa tsy mampiomana, ka ilaina ny mitandrina na ho an’ny mpamily na ho an’ny olona eny an-dalambe eny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.