Nitrangana lozam-pifamoivoizana nampihoron-koditra teny Ambohimalaza omaly tokony ho tamin'ny 9 ora teo ho eo.
Fianakaviana iray nanofa fiara mercedes 309 handefa hitsangantsangana tao amin'ny le capucin no lasibatra tamin'izany izay nisy olona manodidina ny 30 isa. Nivadika mantsy ilay fiara nitondra azy ireo rehefa nandeha mafy loatra nefa niditra fiolanana, raha araka ny fanazavan’ny fianakaviana tonga nitondra ireo naratra tetsy amin’ny hôpitaly HJRA Ampefiloha omaly. Vokany, naratra avokoa izy ireo, dimy no tena voamafy. Anisan’izany ilay zazavavy kely iray vao folo taona izay nijininika toy ny rano ny ra taminy vokatry ny fahavakisan’ny lohany. Lehilahy kosa ny iray tamin’izy ireo izay rakotra tanteraka ny tavany raha vehivavy ny roa ambiny. Ny tanany no tena voamafy mafy tamin’ireto farany ka ny iray toy ny voakosika ary niala ny hodiny raha toy ny notapahana kosa ny an’ny iray. Tsy mamo moa ilay mpamily saingy efa zatra mandeha mafy kosa ka tsy azo notenenina.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.