Actualités

Fiara nitatitra ny mpino FJKM Nilan’ny polisy vaniny


  • Alatsinainy 12 Oktobra 2015

Tomefy mpivavaky ny FJKM omaly alahady teny amin`ny kolejy teolojika Ivato. Ny synodam-paritany Antananarivo Andrefana no nanao fivoriambe sy fanompoam-pivavahana ho fankasitrahana ireo mpiasam-piangonana nahavita be tao Antananarivo Andrefana ary koa ho fiarahabana ireo mpitandrina sy katekista ary talen-tsekoly FJKM vao notendrena.

 

 

 

 Sahabo ho 9 000 teo ho eo  ny mpivavaka nanatrika izany. Ny nahavariana dia ny fisavana fiara nataon`ny polisy teo Ampasika  tamin`ny fiara nitondra ny mpivavaka. Niala teo dia voasava indray teo Andohatapenaka  ny fiara mpitatitra. Tsy hidirana lalina ny mety ho fahadisoan`ny saofera vokatry ny tsy fananany alalana hitatitra ny mpandeha. Fa ny re tamin`ny mpamily dia hoe saika “voaotra “ in-droa avy izy ireo teo Ampasika sy Andohatapenaka. Fiara mpitatitra efa ho 40 mahery no tratr`izany. Mba nisy niditra tamin`ny kitapom-bolam-panjakana ary ve ny vola vokatry ny fandikan-dalàna nataon`ny mpamily  sa dia very an-javony daholo. Aiza ny fanaraha-maso ny  amin`ny fanaovana kolikoly sady resa-be hatrany izany hatreto ?


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT