Actualités

Fiara mpitatitra mpiasan’ny Antenimieram-pirenena Niverina niasa indray fa mba nahazo taratasin-tsolika


  • Alakamisy 08 Oktobra 2015

Rehefa nijanona nandritra ny fotoana naharitraritra ihany tao anatin’izay tsy nisian’ny fivoriana teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza, dia niverina niasa nitondra mpiasa mody indray ireo fiara mpitatitra eny amin’ny Antenimieram-pirenena nanomboka tamin’izao fanombohan’ny fivoriana tsy ara-potoana faha-4 hatrehan’ireo solombavambahoakan’i Madagasikara izao.

Samy nitsikaraka ny nodiany moa ireo mpiasa tsotra eny amin’ity toerana ity nandritra izay nijanonan’ireo fiara am-bolana maro teo izay ary heno teny an-toerana fa sambany mba nitrangan’izany toe-javatra izany teny amin’ny rafim-panjakana ity, eny fa na dia tamin’ny andron’ny tetezamita niainana ny mafy dia mafy tamin’ny toe-bola ireny aza.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT