Tsy ny mpivarotra irery ihany no tsy maintsy manara-dalŕna eto Antananrivo renivohitra fa izay rehetra miaina sy mifamezivezy eto
; hita amin’ny toerana maro ny fiarakodia miantsona amin’ny toerana tsy tokony hijanonana maharitra, ampy izay ny gaboraraka ary dia manomboka mandray andraikitra ny ao amin’ny kaominin’Antananarivo renivohitra ka manala sy mibata avy hatrany ireo fiara manelingelina ny fiarahamonina sy ny fifamoivoizana ireo.Miditra fourrière avy hatrany izay tratra, mivoaka ny fiara aorian’ny fanefana ny sazy.Tsy dia any amin’ny hoe fanasaziana sy fandoavana lamandy loatra ny tanjona, hoy ny avy ao amin’ny CUA fa fanairana ny tsirairay mba ho tonga saina fa tsy misy fiainana mandeha ho azy izany fa tsy miantsy misy lalàna sy fitsipika hajaina.Tsy hilamina mihitsy ny tanàna rehefa tsy mety miala amin’ny fanazaran-dratsiny ny mponina ao aminy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.