Actualités

Fiara mibahan-dalana Petahan’ny kaominina « taquet d’arrêt » avy hatrany


  • Alakamisy 30 Janoary 2020

Raikitra ary tsy misy indrafo ny fanasaziana ireo fiara mijanona amin’ny toerana tsy azo ijanonana eto Antananarivo Renivohitra.

 

 

Raha misy fiara tratra mipetraka eo amin’ny tsy tokony hipetrahana dia asiana avy hatrany « taquet d’arrêt » ary omena taratasy fanasaziana mifandraika amin’izany. Roa herinandro nitondran’ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina, dia io fa tsy an-kitsitsy ny fampanarahan-dalàna hisian’ny firindrana. Fomba fiasa efa nisy tamin’ny fitondran’ny ben’ny tanàna teo aloha Lalao Ravalomanana io, saingy nandeha ny fanenjehana samihafa tamin’izany. Na ho ela na ho haingana anefa, dia tsy maintsy hirosoana ny fandaminana ny tanàna hialana amin’ny gaboraraka, ka ny hirariana dia hitohy ny fandraisana andraikitra tahaka izao. Natao hohajaina sy hotoavina rahateo ny lalàna. Io iaraha-mahita io, ohatra, ny voka-tsoan’ny fampanarahan-dalàna hoe: ny lanlana ho an’ny fiara, trottoir ho an’ny mpandeha an-tongotra, ny tsena ho an’ny mpivarotra,… dia io hita io fa mba misy fiantraikany kely amin’ny fisosan’ny fifamoivoizana. Zavatra efa tokony ho natao hatry ny ela izao, fa harahina fepetra miandalana mifandraika amin’ny fanapahan-kevitra (mésure d’accompagnement), toy ny fananganana tsena, toeram-piantsonana manara-penitra,… izay fanamby nataon’ny ben’ny tanàna vaovao tamin’ny propagandy rahateo.

Toky R 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT