Teboka vitsivitsy no niteraka adihevitra nandritra ny fivorian`ny filankevitra monisipaly omaly ka anisan`izany ny sandan`ny fanagiazana fiara izay 200 000 ariary isan’andro.
Ny vaomieran`ny fitaterana dia nanambara hatrany fa tsy mifanaraka amin`ny zava-misy eto amintsika io sazy amin`ny resaka fanasaziana ireo fiara miantsona tsy ara-dalàna io. Ekena, hoy izy ireo fa nametraka ny CUA amin`ny fampitomboana ny fiambenana ka natao 150 000 ariary isan’andro raha miditra fanibohana (fourrière). Ny fitaterana an`ilay fiara kosa dia 50 000 ariary, tsy vitan’izay fa mbola mandoa 150 000 ariary isan’andro ho saran’ny fiambenana ilay fiara. Raha fiara madinika ka mahatratra 10 andro ny nanagiazana azy , dia 1 860 000 ariary eo ho eo no vola tsy maintsy aloha rehefa atambatra ny karazan-tsazy isan-karazany. Izany no anton`ny fanamarihana nataon`ireo mpanolotsaina. Andrasana, araka izany, ny fampiharana izay sandan`ny fiara haiditra toerana mihiboka izany. Etsy an-kilany, manahy ireo mpanolotsain`ny tanàna fa sao dia mihoapampana io ka mety hampitombo ny kolikoly izay efa mamotika ny firenena.Na ny mpanolotsaina avy amin’ny IRD aza moa dia nisy tena sosotra tamin’ity resaka “fourrière” ity mihitsy.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.