Actualités

Fiara be miasa eny Andohatapenaka Tsy nandalo “douanes” ny ankamaroany


  • Sabotsy 10 Septambra 2016

Araka ny vaovao marim-pototra azo dia mahatratra 300 ireo fiara lehibe mpitatitra tany sy tara miasa vao nohafarana ka efa miasa amin’ny lalam-baovao hamboarina eto an-drenivohitra ary

 

 voalaza fa tafiditra ao amin’ny tetikasan’ny Filoham-pirenena sy handraisana ny fivoriamben’ny Frankofonia ho tanterahina eto amintsika amin’ny volana novambra ho avy izao. Ny zavatra mampametra-panontaniana ny mpanara-baovao anefa amin’ity resaka ity dia ny filazana azo fa toa tsy nandalo “douanes” na fadintseranana avokoa ny fampidirana azy ireo teto Madagasikara. Tsy misy valaka amin’izany koa ny amin’ireo fiara be na “camions” miasa “Central à bitumen” izay ampiasaina ankehitriny. Dia aiza ho aiza amin’izany ary ny dradradradraina hoe fiarovana ny tombontsoan’ny Malagasy maro an’isa ? Ary tena fanjakana gaboraraka sy mpandika lalàna ve izany no misy eto ?

 

Ntsoavina Evariste


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT