Any Morondava omaly alatsinainy 1 oktobra ary nijery ny zava-misy marina any an-toerana ny filoham-panjakana Rivo Rakotovao narahana delegasionina mafonja avy amin’ny governemanta.
Nambarany fa tany tan-dalàna eto Madagasikara ary tsy azo ekena ny fanakorontanana sy fampisavorovoroana ny saim-bahoaka. Nahatonga ny savorovoro nahafatesan’olona sy nitarika fandrobana tany an-toerana moa ny fahasosorana nateraky ny tsy fahampian-drano satria tsy voazara ara-dalàna ny ranon’i Dabaraha noho ny nafitsok’andin’olona. Fa teo ihany koa ny namotsoran’ny fitsarana jiolahy voarohirohy tamina halatra omby sy vono olona. Nanampy an’ireo ny antso miendrika fanentanana ny olona hikomy amin’ny fanjakana nataona onjam-peo iray tao an-tanànan’i Morondava. Tsy maintsy raisina ny fepetra, hoy ny filoham-panjakana Rivo Rakotovao, ary omaly ihany dia nivoaka ny taratasy ofisialy avy amin’ny minisiteran’ny serasera mampihantona ny fahazoan-dalan’ny onjam-peo Fréquence Menabe ao Morondava, izany hoe tsy mahazo mandeha intsony aloha io onjam-peo io noho ny zavatra nalefany nitarika korontana tao an-tanàna. Momba ny lakandranon’i Dabaraha dia aoka hifandefitra sy hifampitsinjo, hoy ny hafatry ny filoha satria mbola ho avy izao ny main-tany ary mbola hihena ny rano. Efa misy ny tetikasa lehibe hanitarana azy io saingy tsy maintsy mbola miandry famatsiam-bola, hoy izy. Tsy misy idirako kosa ny fanapahan-kevitry ny fitsarana satria mahaleotena ny fitsarana ka aoka samy ho tony. Fikarakarana fifidianana milamina no tena hatrehantsika izao mba hahazoana filoha voafidim-bahoaka.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.