Tranonkala na site web ny www.ketrika.com, azo jerena amin’ny solosaina na finday na “tablette” misy “internet”. Sehatra 2 miavaka tsara ny “Ketrika”, dia fanaovana “défi sportif”, izay nanomboka tamin’ireny fiadiana ny tompondaka eran-tany tamin’ny baolina kitra ireny.
Ny sehatra faharoa dia ahafahana mividy entana amin’ny “internet”. Tsy maintsy miditra amin’ny tranonkala www.ketrika.com vao afaka mividy ny entana tiana. Manao fisoratana anarana na “inscription” tahaka ny manokatra kaonty facebook, izay maimaimpoana. Rehefa nahavita izany, dia afaka mividy “jeton” ianao avy eo amin’ny alalan’ny mobile money (mvola na airtel money na orange money), dia ny jeton no ahafahanao mividy ny entana. Rehefa mividy ianao dia tazoniny fotsiny ilay “jeton” fa rehefa tena voarainao ny entana vao tena miala ny “jeton”. Rehefa manao “achat en ligne” dia manao safidy ny toerana na ny “point relais” tiana hakana ny entana. Tsy mbola manao « livraison à domicile » aloha fa alaina eny amin’ny « points relais » ny entana: Ampefiloha, Ankorondrano, Citic Behoririka, Soanierana, Andoharanofotsy, Talatamaty, hisokatra tsy ho ela koa ny eny Sabotsy Namehana. Misy ny “vente flash” ataon’ny Ketrika amin’izao fanombohana izao isan-kerinandro fa ny entana fotsiny no miovaova. Ao anaty fotoana voafetra no hisiany ary voafetra koa ny entana azo vidiana aminy. Misy izao ny menaka lesieur 100% soja milatsaka 2 500Ar ny 1L raha 5 500ar ny tena vidiny. Tsy lany daty akory ireo fa “vente flash” fotsiny ihany. Misy ny savony VAO Citron barre de 1kg : 3 500AR raha 5 500AR ny tena vidiny eny an-tsena. Ny Eauvive lehibe pack misy tavoahangy 6 dia 6 000AR raha 10 800AR ny tena vidiny eny an-tsena. Marihina fa marobe ny entana azo vidiana ao amin’ny www.ketrika.com, tahaka ny teknolojia vaovao finday, tablette, casque, ecouteur, baffle,.. Produits de beaute et cosmetique, Produits d’hygiene, Tee shirt, Kiraro vraie marque (Nike, San Marina, Eram,..), kilalao,… Ny vidin’ny entana ao amin’ny ketrika dia mora kokoa noho ny eny an-tsena rehetra. Ankoatra ny “vente flash” misy isan-kerinandro dia misy ihany koa lavanty dia izay manome tolobidy ambony indrindra no mahazo azy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.