Actualités

Fiantohana ny ho avin’ny zanaka Hanampy ireo ray aman-dreny ny BNI


  • Alarobia 09 Novambra 2016

Betsaka ireo ray aman-dreny no tsy manana antoka mazava hahafahany manohana an-janany intsony ankehitriny, indrindra fa ny fahafahana mampiana-janaka hatramin’ny farany, izay tena handaniana volabe tokoa aorian’ny fahazoana ny mari-pahaizana Bakalôrea.

Mba ho fitsinjovana ny tsirairay ary dia nampahafantarin’ny banky BNI Madagascar omaly ny fisian’ilay tetikasany vaovao antsoina hoe : TAFITA hahafahan’ny ray aman-dreny manangom-bola ho an’ny zanany. Mandrotsaka vola amin’ny kaontin’ilay zaza isam-bolana ny ray aman-dreny iray mandritra ny telo na efa-taona. Feno 16 taona kosa ilay zaza vao azo alaina ny vola. Tsy mipetra-potsiny ny vola any amin’ny banky mandritra izay fa mitombo, hoy Andriamatoa Gervais Atta, talen’ny fampandrosoana sy ny varotra eo anivon’ity banky iray ity. Ankoatra izay dia hiarahan’izy ireo miara-miasa amin’ny trano fiantohana SAHAM ny hetsika hahafahana manome antoka ny tsirairay. Tsiahivina moa fa na dia mbola latsaky ny dimy taona  aza ny zaza dia efa azo anokafana ity kaonty  vaovao ity. Raha sanatria misy manjo ireo ray aman-dreny kosa dia anjaran’ny banky BNI sy ny mpiara-miasa aminy no mandoa ny vola rehetra horaisin’ilay zaza tompon’ny kaonty.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT