Telo taona sahady ny niorenan'ny English Center, ivontoerana fianarana teny anglisy ao Ampasimasay Tolagnaro.
Tanora roa mirahalahy, Makavelo Jose sy Fabrice, liana amin'ity teny vahiny iray ity no tompon-kevitra nanangana azy. Efa mananika ny telo arivo izao ny isan'ireo manaraka fianarana tao, misy mbola ankizy, tanora lahy sy vavy, misy efa mpiasa. Afaka miteny anglisy tsara aorian’ny telo volana aharetan’ny fiofanana. Tanànan’ny fizahantany i Tolagnaro, ka tombony ho azy ny fisian’ny ivontoerana ahafahana mianatra teny vahiny, indrindra ny teny anglisy izay teny ifandraisana be mpampiasa manerantany. Mahajanga sy Antananarivo ary i Tolagnaro ihany no tanàna misy ivontoerana fianarana teny anglisy toy ity eto Madagasikara.
OTH
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.