Nafindra ao amin’ny ANS Ampefiloha nybtoeram-pianarana kabary maimaim-poana hiarahana amin’ny fikambanana Apinga raha tao amin’ny LMA Ampefiloha teo aloha.
Hanomboka anio Alarobia 27 janoary no hisian’izany, fampianarana tanterahina isaky ny andron’ny Alarobia sy Sabotsy ary Alahady tafiditra ao anatin’ny fanombohana ny taom-pianarana taona 2016. Hianarana ao anatin’izany avokoa ny karazana kabary rehetra raha araka ny fanazavan’i Lalaina Mitahirifahendrena filohan’ny fikambanana. Anisan’ireny ny kabary am-pahoriana, am-pifaliana ary ny kabary am-panambadiana. Enim-bolana no faharetan’ny fiofanana raha fepetra takiana kosa ny fahaizan’ny mpianatra mamaky teny sy manoratra, tsy mifidy taona.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.