Nandray fanomezana avy amin’ny Fianakaviamben’ny CNaPS izay notarihin’ny tale jeneraly Arizaka Rabekoto Raoul Romain ny Praiminisitra Jeneraly Ravelonarivo Jean teto amin’ny lapan’i Mahazoarivo omaly talata 20 janoary 2015. Nanotrona azy tamin’izany ny Minisitry ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana Solonandrasana Mahafaly Olivier, ny Sekretera mpanatanteraka ny BNGRC, ny Talen’ny kabinetra Charles Clément Rakotolahy.
Manana andraikitra voalohany amin’ny lafiny sosialy ny CNaPS ka nitondra ny anjara birikiny ho fanampiana ny traboina. Mahatsapa tanteraka ny fahoriana vokatry ny rivodoza mihatra amin’ny firenena manontolo izy ireo. Bodofotsy firakotra miisa 500, savony miisa 219 baoritra, labozia miisa 10 000, vary 3 taonina mahery ny fanomezana natolotra. Nisaotra sy nankasitraka tamin’ny fihetsika sy fahavononana tsy an-tery nataon’ny CNaPS ny praiminisitra Ravelonarivo Jean ary miantso ny mpandraharaha sy ny malala-tanana hanara-dia azy ireo. Fa ankoatra izay dia natolotry ny CNaPS tamin’ny fomba ofisialy ny Praiminisitra ny Jeneraly Jean Ravelonarivo teny amin’ny lapan’i Mahazoarivo ihany koa ny volavolana didim-panjakana momba ny Lalànan’ny fiahiana ara-tsosialy izay efa tsy nisy fanavaozana intsony hatramin’ny 1969. Mivoitra ao anatin’io « Code de Protection Sociale» vaovao io ny fanatsarana ny fanampiana ara-tsosialy izay mifanaraka amin’ny toetr’andro sy ny vidim-piainana. Andrasan’ny maro moa ny fampiharana izany izay inoana fa horaisin’ny Primatiora sy ny Fiadidian’ny Repoblika an-tanana. Nandritra ny fanolorana ny fanomezana dia niarahaba ny praiminisitra nahatratra ny taona vaovao 2015 ny fianakaviamben’ny CNaPS.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.